TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

Famangiana ireo voafonja teny an-tanimora

 

Hoy ny soratra masina ao amin'ny matio 25:35-40 manao hoe :

fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;
tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo.........
Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.

 

Io teny  io no anisan'ny nanosika ny ahy nandeha niaraka amin'ny SLK atao am-piangonana niarahana tamin'ny FJKM SPAA 11  hitsidika ny fonjan'Antanimora tamin'ny 27 octobra 2019 teo.

 

Nahafinaritra ny FANATANERAHINA ny iraka teny Antanimora nisy ireo olona nanome vary amin'ny gony , tao ireo nanome savony amin'ny baoritra sy nanome lamba ho an'ny voafonja.

 

Tao amin'ny quartier C no natao ny fotoam-pivavahana niarahana tamin'ireo voafonja ary tena nafana ny fotoam-pivavahana. Ireo voafonja moa dia nandray anjara hira tamin'ny fotoam-pivavahana satria dia misy choral ao am-ponja ary dia manana fitafiana miavaka isiky ny quartier(A, B, C).

 

Nampihetsi-po sady nandona be ny aty fanahy ny hiran'ireo antokom-pihira ao am-ponja, nahatsapany fa olombelona izy ireo ary diso , tsy nahatohitra ny fakam-panahy. Mihira mitalaho ary tena vokatry ny fo moa izy ireo rehefa mihira

 

Tao aorin'ny fotoam-pivavahana dia nisy asa fampaherezana izay nataon'ny Mpiandry niaraka taminay.

Tao aorian'ny fampaherezana dia nisy ny fandraisana fanasan'ny TOMPO niarahana tamin'izy ireo nanehoana fa IRAY tokoa ao amin'i JESOA KRISTY ny olona rehetra.

 

Ny hira namaranana ny fotoana moa dia ilay hoe raha mifankatia isika sady narahana fifandraisan-tanana.

 

Napetraka tamin'ireo voafonja ny hafatra ny hivavahan'izy ireo, ny hiankinany amin'i JESOA KRISTY fa IZY irery ihany no afaka manova ny fiainany.

 

Ny zavatra rehetra natao tany dia natao ho voninahitr'ilay MPAMONJY ny OLONA REHETRA , tsy iza izany fa JESOA KRISTY velona sy mahery avy any NAZARETA

 

voavonja.jpg

 (sary indrana fa tsy nahazo naka sary izahay)


04/11/2019
0 Poster un commentaire

NY FAHAIZANA MIHAINO NY TOMPO ANDRIAMANITRA( RAY ZANAKA FANAHY MASINA)

 

Hoy JESOA KRISTY « Ny ondriko mihaino ny feoko (Jaona10 :27) »

Hoy ny tenin’ilay hivavahana ao amin’ny Salamo 103 :20 Misaora an'i YHVH, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny.

 

Ny antsoina hoe mihaino ny TOMPO dia izay mihaino ny teniny izay entin’ny feony.

 

Ireto avy ireo fepetra 3 raha te hihaino ny TOMPO :

 

1]Mila velona ny fanahinao :

izay vao afaka mihaino ilay ANDRIAMANITRA VELONA .Ny mitovy karazana ihany no afaka mifampihaino.Tsy afaka manao ny sitrapon’ANDRIAMANITRA isika raha tsy IZY ANDRIAMANITRA mihitsy no miditra sy mitoetra ao anatintsika mampahafantatra ny sitrapony sy manao manome antsika hery hanaovana ny SITRAPONY.

Ny fitoeran’i JESOA KRISTY ao anatintsika izany no mahatonga ny fanahintsika ho velona araka ny « Romana 8 :10 :Fa raha Kristy no mitœtra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa] »

 

2]Miaina ny lalan’ny fahavelomana :

Ohatra rehefa noana ny olona iray salama tsara dia mitady sakafo hohanina izy,dia tahaka izany koa ny olona efa nandray an’i JESOA dia velona ny fanahiny ka lasa lalàna voajanahary ao anatiny ny mihaino an’i JESOA fa tsy baikoina na terena intsony hamaky baiboly, hivavaka , na hanao fiderana na hihaino toriteny sns….tonga zavatra ilain’ny fanahiny ireo voatanisa ireo.

Mbola maty fanahy ireo olona izay tsy mbola miaina ny lalan’ny fahavelomana ara-panahy.(Te hihaino an’i JESOA KRISTY).

 

3]Mihaino ny feon’ANDRIAMANITRA amin’ny alalan’ny :

-Famakiana baiboly iray manontolo eo ambany fitarihan’ny FANAHY MASINA

-ao anaty toriteny

-ao anaty fampianarana

-ao anaty fijoroana vavolomebelona

-amin’ireo trangan-javatra miseho amin’ny fiainana andavanandro.

 

 


26/09/2019
0 Poster un commentaire

Ireo olona nampandraisiko an'i JESOA KRISTY tamin'ity 2019 ity

Omaly faha 21 Juillet dia tongako teo anatrehan' iJESOA KRISTY i Dô.

 

Hoy  ny tenin'ilay hivavahana ao amin'ny Lioka 15 :7

Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.

Nanaiky an'i JESOA ho TOMPO sy MPAMONJY  i Dô ary maro no mbola tiako ho entina eo anatrehan'i JESOA KRISTY. Efa nino izy fa JESOA NO MPAMONJY sady TOMPONY

 

 

DateAnaranatoerana Fihaviana
1 22/07/2019 Faratsiho

22/07/2019
0 Poster un commentaire

TAFIKA MASINA tany Mbahita (Bekily)

TAFIKA MASINA tany Mbahita (35 Km miala Bekily)

 

 Nanantanteraka Tafika masina tany Ndahita izahay Mpiara mivavaka tamin'ny tapaky ny volana Septambara teo iny ka tany ambanivohitr'i Bekily, Eo amin'ny 35 Km eo ho eo. Enjana ny fitsapana natrehana teny an-dalana. Nampiseho ny maha TSITOHA AZY ilay MPAHARY ny tany sy ny lanitra (YHVH) tamin'ny  niarovany anay teny an-dalana na nandroso izany na tamin'ny nody ary nandritra ny Tafika Masina .

 

Ny apostoly Paoly in3 vaky sambo (2Kor11:25) Fa izahay indroa (2) vaky carter.

 

Ny iray tamin'ny vao handroso afaka 25 Km an'i Ihosy hanakany Betroka eo amin'ny toerana fisian'ny mpanafika, amin'ny 15h30mn eo nanomboka nanamboatra ka savony sy tanimena no nampiasana ary tamin'ny 16h30mn tany vao afaka teo. Nisy ireo nitokana am-bavaka, nisy ireo nanamboatra ny fiara ary dia vita soamantsara ihany.Namakivaky iny tampon'i Ihorombe iny tao anaty alina maizina sady mikitroka (tsy misy fiara mifanena intsony ) sady nandeha mora nitandritandrina an'ilay fiara tsy nijanona mihitsy fa nandeha foana mandrapahatonga tany Bekily. Nisaorana ny Tompo JESOA.

 

Ny fahavakisan'ny carter faha (2) dia tamin'ny niverina. Izany hoe teo anelanelan'ny Betroka sy Ihosy. Izahay moa tamin'ny niverina dia niainga tamin'ny 2 ora maraina tany Bekily ary tao Betroka no nisakafo antoandro.

Tamin'ny vao niainga maraina ny fiara dia efa nandeha ny rojom-bavaka tao anaty fiara narahan'ny famakiana Salamo tsy nijanona. Tonga soamantsara tao Betroka izahay ary rehefa niainga ho any Ihosy teo 2 na 3 Km tsy hidirana an'i Ankelivaha tamin'ny 16h30mn dia teo no nahavaky fanindroany ny carter ary very tsy  nisy menaka intsony. Izay fiara nandalo nahita anay dia niteny hoe ataovy izay hialanareo eo fa ratsy be io toerana io. Nandeha ny tolona am-bavaka isan-karazany, tao ny nitady vaha olana (hanamboarana ny carter, hanafatra menaka sns...).

Nalefa namonjy tanana (Ankelivaha)sahabo eo amin'ny 2 na 3Km nandeha an-tongotra ny vehivavy satria efa nanomboka ho hariva ny andro fa ny lehilahy kosa nijanona niandry ny fiara sy izay mety ho tohiny. Nandeha ny vavakay lehilahy , afaka 5mn indro ny camion citerne nandalo ary niangaviana mba hitarika ny fiara hamonjy tanana. Nahafinaritra ilay camion fa tsy nanisy olana mihitsy. Tanana nampiasan'EL SHADAY hamonjena anay indray indray izany iny. Nisy indray teo ny fidirana antsehatr'ilay TSITOHA .Ampahany ireo ary mora tantaraina fa enjana ny niaina azy, soa fa teo JESOA KRISTY niaro sy nivimbina anay.

 

Anisan'ny fitsapana ka nanehoan'i JESOA fa eo am-pelatanana ny zavatra rehetra dia ny fisian'ny fikasan'ireo dahalo hanafika ilay tanana izay nanaovana Tafika Masina. Andro alakamisy moa tamin'izay ary tsena ny andro (13/9/2018), ary feno olona mifamezivezy. Tonga eo daholo ny mpiantsena. Nitory filazantsara teny an-tsena izahay ary maro ny olona nanaiky an'i JESOA ho TOMPO sy MPAMONJY na dia nanano sarotra kely azy teo amin'ny fomba fiteny.

Ny hariva nandeha ny resaka fa hanafika io tanana io ny dahalo satria maro tamin'ireo mpanam-bola niantsena no tsy tafody ary anisan'ireo ho tafihin'ny dahalo koa izahay Mpanao Tafika Masina. Nandeha ny nivavaka izahay, nandefasana sms ny namana taty Antananarivo mba hitondra am-bavaka ihany  koa , tsy fantatra na ahoana na ahona fa  RAVA ilay fanafihan'ny dahalo. Nisy tamin'ny namanay efa nahita ny maraina fa nisy lehilahy maromaro mipetraka nijery ny toerana nitobianay izay samy nanana basy vita gasy eny am-balahany .ISAORANA JESOSY fa TSY NISY ILAY FANAFIHANA rava noho ny famindrampon'JESOA KRISTY.

 

Ny hamaranana azy dia hoe TSARA JESOA, MPANAO TSARA IZY ary tiany Hovonjena ny olona rehetra ary mila ahy sy ianao hitondra ny famonjena hatrany amparan'ny tany.

 

DERAINA YHVH deraina mandrakizay mandrakizay amin'ny alalan'i YAHSUAH HA MACHIACH (JESOA KRISTY ).AMEN dia AMEN


11/10/2018
0 Poster un commentaire

Ady natrehana Jiona sy Jolay 2018

Maro ny zavatra nanamarika ny volana jiona 2018, nahatondra olona maro tao amin'ny JESOA KRISTY aho, nanaiky izy ireo ny maha olona mpanota azy araka ny voasoratra hoe: Tsy misy marina na dia iray akory aza;(Rom :3:10),ka mila mibebeka ary  mila an'i JESOA hahazoany famonjena sy fiainana MANDRAKIZAY.

 

Tamin'ny tapatapaky ny volana Jolay 2018 dia nisy tamin'ireny olona nanaiky an'i JESOA ho TOMPO sy MPAMONJY ireny no nantsoin'i RAY hody any AMINY(Tonton Riry). Inoako fa efa ao amin'ilay JEROSALEMA vaovao izy izay.

 

Ary vao omaly alakamisy 2 Aout 2018 tamin'ny 16 ora 30 minitra dia nisy iray hafa nantsoin'i JESOA hody ihany koa. Naterinay tamin'ny alalan'ny vavaka teo anaterahan'ny JESOA izy omaly. Rehefa namaky salamo faha 23 izahay ary nivavaka , notohizana hatrany amin'ny salamo faha 26 dia natsahatra ny vavaka sy famakiana salamo fa LASA i Dadatoa Zaba. Tony dia tony izy teo amin'ny fanatrehan'i JESOA ary tsy nijaly. Mino sy manan-tena izahay fa efa eo akaik'i JESOA izy izay satria efa nanaiky AZY ho TOMPO sy MPAMONJY tamin'ny volana jiona 2018. Isaorana JESOA nampivahiny azy tety an-tany ary naka azy ho any amin'ilay toerana nambaran'i JESOA fa namboariny ho an'ireo olona izay tia AZY.

 

Mandalo ny fianana eto an-tany, ary mbola tian'i JESOA hitohy mandrakizay izay fiainana izay,izany ny antony nidinany tety an-tany hamonjy ny olona rehetra.

 

Mibebaha, minoa an'i JESOA , raiso ny famonjena raha te handova FIAINANA eo anilan'i JESOA KRISTY.

 

Hoy JESOA : Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?


 

AMEN.

 

 


03/08/2018
0 Poster un commentaire

FAMPIANARANA TAFIKA MASINA

FAMPIANARANA MOMBA NY TAFIKA MASINA ANATINY

 


I-FAMPIDIRANA

Ny Tafika Masina (TM) dia samihafa amin’ny Famangiana
Dialogues no ifanaovana fa tsy monologue
Ireo karazan’olona hilana Tafika Masina:

v  -Kristiana mazoto

v  -Kristiana eo ho eo

v  -Kristiana malaina, tsy miangona raha tsy andro lehibe

v  -Kristiana tsy hita intsony (kamo, mihemotra, lasa secte…)

v  Tokony ho generaliste ny mpiantafika rehetra, tsy voatokana hitory fotsiny na hitarika fotoana fotsiny, na hivavaka fotsiny (Polyvalent).

 

II-ZAVATRA TAKIAN’NY TAFIKA MASINA ANATINY (Na ivelany)
Ny fahaiza-mandamina tsara sy matotra ny zavatra homanina no tena ilaina (une bonne organisation)

i)-Mila lista

Misy fanamarihana (observations) ohatra: Ranaivo irery no mazoto amin’izy mianakavy.

  • -Apetraka ny tetik’ady
  • -Mivory ny tompon’andraikitra
  • -Maka rendez-vous matotra (19 à 20h ohatra)
  • -Atao ny fizarana andraikitra (repartition de tache sy itineraire)

 

ii)-Choix du canal na izay fantsona hitondra resaka

  • -Mifidy izay olona tsy manana olana amin’izay vangiana (tsy tokony ho olona manana trosa @ohatra)
  • -Tsy tokony ho olona mifanao ambony sy ambany amin’ny hiérarchie aminy (Caporal sy capitaine).
  • -Misy olona mifidy olona na mankahala olona hafa tsy ny mpitandrina ihany no tiany.
  • Araka izay azo atao, dia tokony avy ao am-piangonana no  miainga ny mpanao TM, ary ao ihany koa no tokony hamaranan’azy, aloan’ny hodiana mba hafahana manao evaluation.

 

iii)-Choix du texte.

JESOA Kristy no ivon’ny TENY HO TORIANA rehetra.

  • -Tokony efa hisy toriteny 5 na 10 efa voahomana, fa ampiarina amin’ny toe-javamisy sisa atao.
  • -Fadio ny manao toriteny ara-moraly (miteniteny azy @ tokany na ny sigarany, na ny fijangajangany)
  • -Ny famonjen’i Kristy hatrany no toriana, ny fahasarany
  • -Tsy mibeny ny mpangalatra, fa mampilendalenda azy ny fitavan’i Kristy « Christo-centrique »
  • -Texte toute clé hazoana famonjena no fidina oh. « Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra iti.. »

 

iv)-Homanina ny HIRA

Maredona hain’ny rehetra.
-Mila masaka tsara daholo ny zavatra atolotra, vao afaka miroso, mba hanome AINA vaovao ho an’ny vangiana. Raha misy fifaliana miseho eo amin’ny vangiana, dia izay no taratry ny famonjena. Ny andrasana amin’ny Tafika Masina dia ny hiverenan’ny olona ao amin’I Tompo JESOA.

v)-Mila mitazona tsiambaratelo. Raha vao resaka fanambadiana, dia ny Mpitandrina no habilité, tompon’andraikitra.

 

II- NY DINGAN’NY TAFIKA MASINA ANATINY (TAMANA)

1-Ankapobehany (Les 6 E)

v  -Enquêter (fantarina ny momba ilay olona ho vangiana), jerena ny fiche sao efa misy momba azy

v  -Evangéliser (Fitoriana)

v  -Edifier (mampiorina ilay olona amin’ny finoana)

v  -Equiper (mandray andraikitra amin’ny fiofanana)

v  -Envoyer (mba ho lasa tompon’andraikitra hiantafika ilay olona, lasa iraka mahomby, manana toe-panahy voataiza hizara, hanabe voa ny fanjakan’ny lanitra

-Evaluer

2-Dingana Voalohany: “Fiarahabana MAFANA”

v  -Aloan’ny hidirana ao an-trano (ohatra à 10m), dia mangataka ny asan’ny Fanahy Masina @ vavaka

v  -Manao “HAODY” rehefa voazara tsara ny andraikitra (ny mitari-dresaka, mivavaka, mitory..)

v  -Fiarahabana “mafana” (mandray tànana tsara ampitsikiana, fa tsy manao ala-safay)

v  -Manao vavaka fisaorana ny FM noho ny fandraisana natao

v  -Atao ny presentation, fifankalalana

v  -Manao resadresaka fohy (5 à 10 mn raha be ) ho fanorenana ny fifandraisana tsara, hisian’ny fifankazahoana am-po (tsy toy ny manao enquête anefa).

v  -Mihaino tsara izay resadresaka ifanaovana ny mpitory teny sy ny mivavaka, mba hampiditra izany  ao anaty vavaka na toriteny (oha. Fianakaviana manana marary, na vao azom-pahoriana)

v  -“Ndeha ary hiomana amin’ny fanompoampivavahana isika”, dia maka fihirana sy Baiboly ny ao an-trano. Lanjalanjaina tsara izay atao. Salamo fiderana fohifohy raisina fa tsy atao lavabe.

 

3-Dingana faha roa: Fanompohampivavahana fohy

v  -Salamo fiderana-Hira

v  -Vavaka

v  -Hira adininy iray

v  -Soratra Masina (Izay mitory no mamaky ny Teny): Méditation fampieritreretana no atao ( à 7mn) fa tsy toriteny lavabe

v  -Asiana Appel ny farany, “antso” mba hamaliana ny antson’Andriamanitra
-Faranana amin’ny vavaka fohy

 

 

4-Dingana faha telo: Tafika Masina

v  -Raisina tsirairay ny olona, ny lehilahy mandray ny lehilahy, toerana misaraka ny vehivavy mandray ny vehivavy, misy koa mandray ny ankizy, mampanao azy ireo fampianarana na tsianjery na hira.

v  -Mba ho fitondrana am-bavaka manokana cas par cas ny tsirairay, araka izay zava-miseho ao an-trano. Fampihavanana ny olona tsirairay raha misy ady.

v  -Koa inona no zavatra tokony hivoaka amin’izany ?

 

 

DIAGNOSTIC-TEST

  • Tari-dresaka amin’ny maha Tafika Masina ny TM. Miainga amin’ny olana misy.
  • -Asiana vavaka sy presentation mba hisy fifamatorana eo amin’ny resaka ifanaovana.
  • -Fanontaniana mipetraka dia izao: Efa nandray an’I Kristy ve ilay miresaka aminao ?
  • -Raha ENY, dia Edification no atao
  • -Raha TSIA, dia Evangélisation no atao. Mety amin’ny maha olombelona azy no anaovany asa soa, ka mila taomina handray ny famonjen’I Jesoa Kristy izy.
  • Ø  -Raha mamaly izy hoe “Mbola tsy fantatra izany” na hoe “Andriamanitra ihany no mahalala”, dia mbola tsy voavonjy izy izany; satria tokony samy hahalala izao anio izao isika rehetra hoe EFA VOAVONJY HIANAO NA TSIA.

-Tadidio fa na mpiandry aza no manoloana anao, dia tokony atao foana ny TEST.


Ho fitarihan-dresaka dia izao : “Araka ny toriteny teo dia nisy antso ho antsika..”

-Ohatra: Hianao ve ny Naivo efa nisy fotoana nahatsapanao ve fa nanapa-kevitra ny handray an’I Jesoa Kristy ho Mpanapaka ny fiainanao ve hianao ?

-Azonao antoka ve izao ankehitriny izao fa raha tonga haka anao I Kristy dia azonao antoka ve fa ho voavonjy hianao ?

-Koa sitrakao ve raha vonona hianao, ny hanapa-kevitra ho an’I Jesoa Kristy , satria vonona ny handray anao foana Izy, fa tsy noho ireo asa soa ataonao akory ny hamonjeny anao.

-Izay mino no hovonjena. Miainga amin’ny finoana ny famonjena.

-Ny fanekena fa Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy azy dia midika fa “manana pouvoir de décision” amin’ny fiainanao Jesoa.

-Tsy maintsy raisina I Kristy satria Izy no mahavaha ny olanao. Tadidio ity daty androany ity izay nandraisanao Azy.

-Koa rehefa vonona ary I Naivo dia izao:

-1] Taritina izy hiaiky heloka, ataovy ny fanekenao ry Naivo !

-2] Mifona rehefa avy eo (noho ny fo torotoro), fa izay manafina ny fahotany tsy ambinina.

-3] Mangataha an’I Jesoa hamela ny elokao ( I Jaona 1: 8,9) « Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika. » (1 Jaona 1:8) « Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsi-fahamarinana rehetra. » (1 Jaona 1:9)

-Io Jesoa io no mamela anao.

-Raisina ao am-po, amin’ny fo Jesoa, ary mangataka ny Fanahy Masina mba hiazona anao amin’izany sitraponao izany.

« Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery* ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany, [*Na: anarana, na fahefana] » (Jaona 1:12)

« Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandondòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko. » (Apokalypsy 3:20)

 

VITA IZAY NY DINIDINIKA
-Raha mandà ilay olona, dia ampahafantaro azy fa efa voaheloka sahady izy satria mangatak’andro, ka hoheloina.

-« Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin'izao tontolo izao hanameloka* izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao. [* hitsara] » (Jaona 3:17)

 

MESURES D’ACCOMPAGNEMENT

v  -Ampiana izy amin’ny fivelomany rehefa manana problème manokana, vokatry ny nialany tamin’ireo fomba ratsy teo aloa.(omena masom-boly ..).

v  -Ny olona nandray an’ Kristy no tohanana fa tsy ny démoniaque eo ambaravaran’ny fiangonana, izay mila vola hividianana paraky, sigara na toaka. Ny atao dia ny mitaona azy handray an’i Kristy fa tsy ny mamatsy devoly hisotroana toaka.

 

5-Dingana faha efatra: FAMARANANA

v  -Rassemblement: Antsoina miaraka ny rehetra, ny lehilahy, ny vehivavy, ny ankizy.

v  -Hira

v  -Vavaka nampianarin’I Tompo ho famehezana ny zavatra rehetra.

v  -Remarque : Vavaka nampianarin’i Tompo iray ihany no atao mandritry ny fotoam-bavaka iray.

v  -Veloma MAFANA (mifankatia ny zanak’Andriamanitra)

 

 

Tahaka izao ilay vavaka atao rehefa resy lahatra ny handray an’I JESOA ilay olona

JESOA KRISTY ô miaky eto anatreanao aho fa mpanota , mangataka ny rà izay nalatsakao tany KALVARY mba handio ahy  mba ho afa-pahotana sy ho afa-keloka,indro vohaiko ny varavaran’ny foko ary midira ianao ato anatiko, ekeko ianao ho TOMPOKO sy MPAMONJIKO JESOA ô, soraty ao amain’ny bokin’ny fiainana ny anarako. AMEN


05/06/2018
0 Poster un commentaire

test 26 avril 2018


27/04/2018
0 Poster un commentaire

Batisa an'i Ariela

Natao batisa tamin'ny 22 avril 2018 teo i Ariela kely. Nampidirina ho isan'ireo vahoak'i ELOHYM izy. Maro ireo havana nanotrona tamin'izany . Niara nientana izahay mpiraitam-po tamin'ny fanatanterahana ny batisa. Nivory isaky ny hariva nandritra ny herin'andro nanao ny fandaminana sy ny fizarana raharaha. Tao ny niantsena, tao ny nanao raharaha, tao ny nandamina trano sns....., niara nientana hatramin'ny ankizy tamin'ny fibatana ireo fitaovana maro hampiasaina(latabatra, seza,...) .

 

Mora ny fandaminana satria izay zavatra nilaina rehetra dia toa efa voalahatr'ilay MPAHARY daholo, na ireo olona hiara-miasa amin'ny fanatanterahana izany.

 

Olona teo amin'ny 40 izahay no niaraka nisakafo tao aorian'ny batisa ka natao tao an-trano ihany. Isaorana JESOA tamin'ny fahavitan'ny Batisan'ny rano sy Batisan'ny AFO.

 

Isaorana ADONAY ELOHYM tamin'ny zavatra nataony tamin'io fotoana io. Isaorana mandrakizay anie ny ANARANY MASINA . IZY irery ihany no ANDRIAMANITRA fa tsy misy ANDRIAMANITRA ankoatrany. AMEN

ariela2.jpgariela 1.jpg



Salamo 72:19 :Ary isaorana mandrakizay anie ny anarany malaza; ary aoka ny tany rehetra ho henika ny voninahiny. Amena dia Amena.



25/04/2018
0 Poster un commentaire

FANAFAHANA amin'ny herin'ny vola

Mila afahana amin'ny herin'ny vola ny olona. Maro ny olona no manompo Tompo 2 ka mila afahana ao amin'i JESOA KRISTY. Araho ato ary  izany fanafahana amin'ny herin'ny vola izany.

 

 

 

 

 


28/06/2017
0 Poster un commentaire

FITOETRA (Fihaonana amin'i TOMPO) ao amin'ny efitra

Inona ny atao hoe fitoetra. Ny fitoetra dia resaka hifanaovana amin'i YHWH izay hampiasaina ny tsindrimandry ara-panahy (intuition spirituelle ) ao amin'ny efitra mangina. (matio6 :6). Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao. (Flash mp3 player)

Araho ato ary izany


28/06/2017
0 Poster un commentaire

Mila miasa

Tsy nahavita ny tanjona izay napetrako aho ny taona 2013 sy taona 2014 dia ny hanao ho adidy sy andraikitra ny hitondrana ny olona eo amin'ny famonjen'i YESHOUAH.

 

Mangataka amin'ny ilay MPAHARY aho ny hanomezany ilay AFO miredareda fahiny,ary ny hanomezany fitaovana sy olona ho mpiara-miazakazaka amin'izany fa antomotra ny andro ho avy tsy ho ela YESHOUAH.

 

MARANATHA! AMEN


14/08/2015
0 Poster un commentaire

LESONA MASINA

 

FITOETRA

 

 

 


07/11/2014
0 Poster un commentaire

Ariela

Niampy iray indray ny isan'ireo taranaka izay nomen'i JESOA KRISTY ahy sy i Holy, teraka tamin'ny 17 Juillet 2014 t@ 17h00 izy; vavy kely ary nataonay hoe RAMANANTSOA Miamina Ariela Tefisoa ny anarany, tena mitovy be @ Tendry sy Toavina izy !!!!!

 

Efa natolotray an'i JESOA KRISTY ny mahakasika azy rehetra! Anarana avy ao @ baiboly ny nakana ny Ariela ary no fiantsoana azy!!!! IMG0037A.jpg izao vao afaka nanao mis à jour ny blog !!!  TAHIAN'i JESOA KRISTY velona sy mahery avy a ny nazaretra ndry ARIELA ary ho tonga lehibe ao @ FANJAKAN'i JESOA KRISTY ! AMENA DE AMENA


05/11/2014
0 Poster un commentaire

dihy fevrier 2014

Efa nihalehibe ireo ankizy izay nobeazina fahiny ary nasaina nampiseho ny talentany amin'ny dihy izy ireo. Izany dia hita ato anatin'ity video ity


13/06/2014
0 Poster un commentaire

Video misy ny delivrance Andry

Tena misy tokoa ny fangejan'i satana, ny video izay ho hitanao eto ambany eto dia maneho izany fangejan'i satana izany. Mila fanafahana ny olona tahaka izao vao afaka.Video mba hitako tamin'ny internet dia mba zaraina amintsika namana.

 

I Andry santionany tamin'ny fanafahana nataon'ny fiangonana iray azy. araho izany

 

 

 


03/05/2013
0 Poster un commentaire