TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

TAONA 2007

NY ZAVATRA REHETRA IZAY MITRANGA DIA EZAHINA ATSOFOKA ETO MBA HAFAHAN'NY MPIANAKAVY MANARA-BAOVAO ARY KOA NY NAMANA


Ny fahitana nomen'i Jehovah an'i Tovo

Nahazo tenin'i Jehovah izaho tamin'ny alahady faha 15 jolay 2007 teo izay mikasika ny tantaran'i Gideona, nentiko teo amin'ny STK izany .Izao no tenin'ny Tompo raha fintinina:Tsy maintsy misy ny sivana eo amin'ny vahoakany , ary avy amin'ireo olona voafidy ireo no hiterizan'Andriamintra ny Sampana , toy izao ny Critère nomeny:(Mpitsara 7: iray manontolo)

tsy mahazo mangovitra na matahotra ary tsy maintsy vonona mandrakariva hiatrika ady, izay mangovitra sy matahotra dia mijanona rehefa misy tafika masina atao,Fantatro fa tsy maintsy hisy ireo olona hiemotra nefa izay mahafaly ny tompo no ataoko fa tsy olona satria izay no hahafahana mandroso bebe kokoa sy hitehirizana ny sampana.

Efa nahazo teny koa izaho ny amin'ny hanavaozan' i Kristy ny STK ILANIVATO, tamin'ny alakamisy faha 12/07/2007 tao aminn'ny APOKALIPSY  nanao hoe :"Indro fa havaoziko ny zavatra rehetra , ny osa, ny mpijangajanga, ny tsy mino dia hohelohina any amin'ny afo solifara" , tsy maintsy toriko amin'ny ankizy ireo sao adinina amiko raha tsy mitory izaho.

Izaho no nitondra fotoana omaly alahady 22 Juillet 2007 efa vitako ny mission , efa nambarako daholo izay tokony hambara, araka izay efa voalazako tery ambony.Eo ampiandrasana izay ho fahatanterahan'ny teny aho.Nahazo teny koa i zaho momba ny firenena tamin'ny nanao alim-bavaka tamin'ny zoma 20 juillet 2007tao amin'ny Isaia 29:13-14 (Hisy zava-mahagaga hataon'i Jehovah fa ity firenena ity manaja aza ami'ny molony fa ny fony lavatra an'i Jehovah)dia ho hita izay tohiny.Amen.

12/03/2010

Androany faha 12 mars 2010 , rehefa nanao méditation aho dia nahita fa fahita izay nomen'i Jehovah ahy tamin'ny Juillet 2007 dia ny momba ny fionganan'i A/toa Ravalomanana tampoka tamin'ny taona 2009 , nefa mbola hisy zavatra hitranga eto madagasikara raha ny teny azoko momba iny crise iny.Efa nambarako any @ sujet hafa ny zavatra momba ny firenena. Tsy mpaminany akory aho fa fahitana hita sy azo tamin'ny alalan'ny vavaka sy famakian-teny soratra masina io.


20/07/2007
0 Poster un commentaire

Toavina kely

Trotron'i Miora i Toavina. Ho volavolaina ho tonga miaramilan'i Jesoa Kristy io Toavina kely io . Izao dia efa resahana ny momba ny famonjena efa vitan'izany Jesoa Kristy izany izy. 5 volana mahery izy eto.

OK

Efa ho 11 volana izao toaviana amin'ity volana jolay 2007 ity, miresaka be izy ary milalao be ihany koa.

 

 

 


08/03/2007
0 Poster un commentaire

Fifidianana ho filohan'ny STK

Ity taona 2007 ity dia napetra hoe taonan'ny Fahasoavana sy Fandresena teo anivon'ny Fianakaviana RAMANANTSOA SIMON tamin'ny fotoam-bavaka natao tamin'ny voalohan'ny taona 2007. Izay rehetra niara-nivavaka tao ka mino izany dia tanteraka aminy izany.

I Tovo no nitondra ny fotoana tamin'io fotoana io.

Inoako (Tovo) tsy ampihampahambana io teny nentina io ary tsy maintsy tanteraka.

Niatrika ny fifidianana izay ho filoha hitantana azy mandritry ny 4 taona ny STK eto Ilanivato ka dia napetrak'Andriamanitra tamiko ny fitondrana.Tsy maintsy entina ny faneva eo amin'ny fametrahana ny fanjakan'Andriamanitra.Izaho dia fitaovana ampiasaina fotsiny.

Amen dia Amen

 

04/02/08

Herin-taona izay no naha voafidy ahy ho filohan'ny sampana, ny mission ho tanterahiko dia ny HAMOLAVOLA TANORA MATANJAKA ARA-PANAHY SY VATANA ARY SAINA ho miaramila tena mpandresin'i KRISTY, mahasahy hisedra ny devoly sy satana sy ny miaramilany satria EFA RESY tao KALVARY IREO AMEN, HANAO HO ADIDY ARY ANDRAIKITRA NY FITORIANA NY FILAZANTSARA AMIN'NY MPIARA-BELONA IZAY MIANTOMBOKA AO @ ANKOHONANA, FIANAKAVIANA ary NY FIRENENA. Toy izao ny fahazotoana tamin'ny 2007 tsindrio eto , ary raha hijery ny famintinana amin'ny graph (statistique) ny fahazotoana dia tsindrio eto

 

Tsapako fa tena tsy mora ny manara-dia an'Andrimanitra, maro ny sacrifice tsy maintsy atao, rehefa manara-dia an'i Jesoa, maro ireo fisedrana na eo anivon'ny sampana izany na eo anivon'ny fianakaviana. Tsy nampoiziko ho sarotra ny lalana izay ho diavina. Ny zavatra tsapaka dia rehefa manompo an'i Kristy dia tsy mahazo miantehitra amin'ny herin'ny tena (Saina, vatana, ....) fa tsy maintsy miantehitra amin' izy tompon'ny asa.

Izao ny hevitra nomen'Andriamanitra ahy @ taona 2008 ity:

1°] Hanao opération baiboly maimaimpoana ho an'ny ankizy tsy manana ao anaty sampana aloha dia izahay samy ankizy ihany no mifanohana ary rehefa vita ny ao anaty sampana dia mety entina eo anivon'ny fiangonana koa izany hevitra izany .

2°] Hasaina manangana alitara ao an-tokantrano ny ankizy rehetra

3°] Suivi amin'ny fananganana alitara isan-tokantrano.

"FANTATRAO VE ISAKY NY 77 SEGONDRA DIA MISY OLONA IRAY VERY ANY @ AFOBE IZANY NO NANOSIKA ANAY HITORY NY FILAZANTSARA.

 

Ry rahalahy sy anabavy , mba fantatrao ve handeha hoa aiz ianao raha hiala amin'ity tany fandalovana ity. Ho any amin'ny afobe ve sa ho any amin'ny paradisa hiaraka amin'i Jesoa Krsity . Raha hisafidy ny ho any amin'ny paradisa ianao dia ataovy izao vavaka izao (ataovy @ finoana)

 

 

Jesoa Kristy ô mihaiky aho fa mpanota tsy mendrika anao akory, mangataka ny rà izay nalatsakao tany kalvary aho mba hanadio ahy, vohaiko ny varavaran'ny foko ary midira ao anatiko ianao, ekeko ianao ho Tompoko sy Mpamonjiko.AMENA

 

 

Manomboka tamin'ny nanaovanao io vavaka io dia lasa zanak'Andriamanitra ianao ary tokony hanana fiainam-bavaka ary tokony hamaky baiboly araka izay vitanao. HOMBA ANAO ANIE JESOA KRISTY . AMENA

 

 

 


Zao vao afaka nanoratra eto, marina izay nolazaiko ao ambony ao fa tsy mora ny manompo an'i jesoa kristy fa maro ireo sedra tsy maintsy hatrEana. Tamin'iny taona 2008 ity no nahafaty any neny 4 andro tao aorian'ny anniversaireko sady izay indray niaraka maty izy mama ga . Simba ihany koa ny orinasa izay natsangako tany moramanga, nividy tanin-kinina 10ha tany moramanga aho ary dia niditra faillite , rava izay natsangako. Tsy nety nanao izay fomban-drazana aho tany(mamono akoho lahy , mandraraka taoka....) fa vavaka no nataoko alohan'ny nanombohan'ny asa  , 18 km miala ny ville Moramanga no nisy ilay toerana, làlana mankany Anosibe an'ala. Naratra ny mpiasa sasany, may ny lasy ny mpiasa sasany, kivy ireo mpiasa fa idiran'andro koa ny ankamaron'izy ireo, nisy ny nandeha nody. Mangony fotsiny ny aretina izay nahazo ny zanako , todiko ihany ny taona 2008 ary nahatratra ny taona 2009 ihany aho noho ny fitiavan'i Jesoa kristy.

Fa ity taona 2009 ity kosa dia taom-pandresena ity ho ahy, tsy nahalavo ahy satana fa manana mpiandry tsara aho, ary fanahy mahery no nomena ahy, efa nateraka ho mpandresy tahaka an'i jesoa kristy aho ary tsy maintsy mitaona olona hoa azy mandram-pialako eto an-tany. AMENA.

 Tsy maintsy vitako ny mission ao amin'ny sampana tanora kristiana ilanivato dia ny hamolavola tanora mahery ho an'i Jesoa Kristy handrombaka ny fanjakan eny an-tanan'i satana ary hamerina izany fanjakana izany amin'i Jesoa Kristy avy any Nazareta. Amena

 

07/09/09

Indro misy hafatra fohy ho antsika mpikambana ao amin'ny stk ilanivato

 





1 Poster un commentaire