TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

TAONA 2009

Misy ireo zavatra mandritra ity taona 2009 ity


Andranomandroatra

Nandeha nitsangatsangana tany andranomandroatra izahay tamin'ny volana oct 2009 , nahafinaritra ny tany , misy vidéo kely ity nanamarika ny tany.



03/12/2009
0 Poster un commentaire

Fidiran'i toavina nianatra 7/10/2009 sy tohin'ny taom-pianarana

Vao  tamin'ny 5 ora sy 30 mn(07/10/2009) dia efa taitra i toavina fa hoe andeha hianatra, rehef tonga ny ampitso izany hoe ny 08/10/2009 dia hoy izy hoe : dada mbola mazoto hianatra aho. Mahafinaritra ry zandry tohizo ny fahazotoana fa tsara, mianara tsara fa hafa ihany ny mianatra e. Hita ato anaty vidéo ato ny momba izany..

18/12/2009
Nanao krismasy tany am-pianarana i toavina tamin'ny 18/12/09 , efa lasa lehilahy lehibe le zanako eto ambany eto ny video momba izany.

13/10/2009
0 Poster un commentaire

Mahajanga 2009

Tany mahajanga no nanao fialan-tsasatra izahay tamin'ity taona ity teo (13 -20 sept) nahafinaritra ny vacances. ireto ny video momba izany. Tany amborovy no nipetraka izahay , midina 2mn dia tonga eny amoron'ny ranomasina, nandeha tany amin'ny lac sacré ihany koa nitsangatsanganana.


01/10/2009
0 Poster un commentaire

TENY 2009


EKSODOSY 23: 20-33

 INDRO, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dàlana sy hitondra anao ho any amin'ny fitoerana izay namboariko.

21 Mitandrema eo anatrehany, ka mi­hainoa ny feony, ary aza mampahatezitra Azy; fa tsy hamela ny fahotanareo Izy; fa ny anarako no ao aminy.

22 Fa raha hihaino ny feony tokoa hianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao sy ho rafin'ny rafinao Aho.

23 Fa handeha eo alohanao ny Anjeliko ka hitondra anao any amin'ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hivita ary ny Jebosita; ary dia hofongorako ireny,

24 Aza miankohoka eo anatrehan'ny andria­manitr'ireny hianao, na manompo azy, na manao araka ny ataony; fa aringano tokoa izy, ary torotoroy tokoa ny tsangam-baton-tsampiny.

25 Fa manompoa an'i Jehovah Andria­manitrareo, dia hitahy ny haninao sy ny ra­nonao Izy; ary hesoriko aminao ny aretina.

26 Tsy hisy ho afa-jaza na ho momba ao amin'ny taninao; hotanterahiko ny isan'ny andronao.

27 Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.

28 Ary hampandeha fanenitra eo alohanao Aho, ka handroaka ny Hivita sy ny Kananita ary ny Hetita eo alohanao ireny.

29 Tsy handroa­ka azy eo alohanao amin'ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibi-dia.

30 Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.

31 Ary hatramin'ny Ranomasina Mena ka hatramin'ny ranomasin'ny Filistina no hataoko fari-taninao, ary hatramin'ny efitra ka hatramin'ny Ony; fa hanolotra ny mponina amin'ny tany ho eo an-tànanareo Aho; ary handroaka azy eo alohanao hianao.

32 Aza manao fanekena aminy na amin'ny andria­maniny hianao.

33 Tsy honina eo amin'ny taninao ireny, fandrao hampanota anao ami­ko; fa raha manompo ny andriamaniny hianao, dia ho fandrika aminao tokoa izany,

27/07/09

Efa nanomboka nandrodana ny tsangam-baton-tsampy izahay , ho tanisaina eto ihany ireo doany efa nanaovana fandrodanana amin'ny manaraka , mahery i Jesoa kristy ary dia tsy manana hery intsony ireny doany izay nanaovana fandrodanana ireny. Amena.

Marihina fa amin'ireny doany ireny dia misy toerana fanaovana sorona dia ireny misy no ametrahanay tanana sy angatahanay ny rà jesoa kristy handrava ny herin i satana ka tsy hisy fitahiana, na fanasitranana intsony eo amin'ireny toerana ireny fa famitahan'iny satana olona fotsiny ny hoe fitahiana sy fanasitranana any amin'ireny doany ireny.

Ao amin'i Jesoa Kristy irery ihany no misy fanasitranana sy misy ny fitahiana rehetra. AMENA.

Mila masina isan'ora sy minitra sy segondra ireo miaramila mpiantafika fa manjary tsy matanjaka ny pouvoir izay efa nomen'i jesoa Kristy.


03/12/09

Ireto ny zavatra  ataontsika isan'andro rehefa mivavaka fa latsaka an-katerena ny firenentsika

1°] Fanafahana an 'i madagasikara sy afrika iray manontolo @ système franceAfrique, ary hahiratra ny mason'ny vahoaka afrikanina

2°] Mba hahiratra ny mason'ny malagasy @ fanjanahana ara-toe-karena ataon'ny frantsay, sy FMI sy ny BM,

3°] Mba hanana indépandance financière i Madagasikara.

5°] HO potika, rava, tapaka ny emprise ataon'ny franc maçon (ireo mpanao politika gasy sy vahiny) @ firenena malagasy.

6°] Ho rava ny fampiadiana an-trano ataon'ny frantsay sy ny olona ampiasainy.

Aoka hazoto hivavaka isika fa ny vavaka manova zavatra.

Mivavaka @ finoana, mifampivavaka, ary mahery mivavaka dia ho sitrana ny firenentsika

21/01/2010

Jesoa kristy ô mivavaka @nao aho, ataovy tahaka ny nanaovanao an'i Farao no hanaovy ny filoha frantsay Sarkôzy sy ireo olona izay ampiasainy eto Madagasikara (izay mitady hanaovao ny fanjanahany ny firenenay @ ity taona 2010 ity, hitroka ny pétrole nay , vatosoanay , ny hazosarobidinay) mba hahita ny herinao ary ho fantany fa ianao no Tompon'ny hery sy fahefana. Ireo miaramila izay manenjika sy mampahory vahoakanao dia ataovy tahaka ny nandevonanao ny miaramila Egyptiana tao @ ranomasina mena. Masina ianao Jehovah ô henoy ny vavako izay ataoko @ anaran' i Jesoa Kristy avy any Nazareta . AMENA!!!


11/05/2009
0 Poster un commentaire