TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

TAONA 2013


Video misy ny delivrance Andry

Tena misy tokoa ny fangejan'i satana, ny video izay ho hitanao eto ambany eto dia maneho izany fangejan'i satana izany. Mila fanafahana ny olona tahaka izao vao afaka.Video mba hitako tamin'ny internet dia mba zaraina amintsika namana.

 

I Andry santionany tamin'ny fanafahana nataon'ny fiangonana iray azy. araho izany

 

 

 


03/05/2013
0 Poster un commentaire

Momba ilay mpaminany sandoka

FILOHA 2013 HONO

Maro tato ho ato no mitondra faminaniana ho an'ny firenena, anisan'izany ny mpitondra fivavahana iray  izay nanambara fa hitondra ity firenena ity izy ny taona 2013. Etoana anefa dia tiana ny manamarika fa na ny fampianarany aza dia fampianaran-diso, lazainy tamin'izy manala devoly fa maty tamin'ny atsasaky ny herinandro JESOA KRISTY.

Raha jerena anefa ny filazantsara araka ny lioka 15 dia manambara fa zoma Jesoa Kristy no maty. Noho izany Jesoa Kristy hafa mihitsy no toriany fa tsy le ao anaty baiboly.

Hanao vavaka aho eto ambany handravako ny faminaniana sandoka nataony.

Amin'ny anaran'i Jesoa Kristy velona sy mahery avy any NAZARETA tapaka ny contrat izay nataon'i Mailhol na ireo mpanao politika gasy tamin'i satana sy losifera sy belzebo momban'i Madagasikara, tapaka noho ny rà izay nalatsak'i JESOA KRISTY TANY KALVARY Raha avy @ JEHOVAH ny faminaniana entiny dia aleo izy hitondra @ ity 2013 fa raha avy amin'i satana kosa dia ataovy mahiratra ny mason'ny vahoaka Malagasy.AMENA DIA AMENA

Indro misy video izay nataon'ny olona iray mahakasika io faminaniana io. Jereo dia henoy tsara:


18/04/2013
0 Poster un commentaire

Lakalaka ny fiainana

Tena tsy misy mahafantatra ny ho avy mihitsy, 29 andro ao aorian'ny fifampiharabana taom-baovao dia efa banga iray sahady izahay. Lasa ianao razoky (RAMANANTSOA BAHOLY lovaniaina), lasa tsy niteny , tonga tampoka ny antso avy any ambony fa tsy maintsy mande ianao.(30 janvier 2013 t@ 7h30)

Tsy maninona e, izay ilay fiainana atao ahoana moa e, izay no nosoratan'i Jehovah, izay ny fandaharany, Manotany aho hoe fa nahoana no ianao, Jesoa Kristy fa naninona no Baholy no nantsoina, vita sahady ve ny mission ny.. Misenton'ny alahelo aho fa tsy afaka manoatra manoloana ny fandaharan'ny TSITOHA.

Na izany aza mandalo izao fahoriana izao fa mbola ho avy ny andro hihaonana indray any amin'ilay JEROSALEMA vaovao.MISAOTRA JESOA KRISTY A, MISAOTRA INDRINDRA. Mangataka eo anatrehanao aho ny mba hanasitrananao ny fonay sy ny fanahinay fa maratra izahay.
Mitalaho, miangavy mba sitrano ny zandrinao ry Tompo malala. Amena de amena.

Indro misy video kely mampiseho ny fifampiarahabana tamin'ny 1 Janoary 2013


15/02/2013
1 Poster un commentaire

Holy


Noraisina ho mpandray ny fanasan'ny Tompo i Holy tamin'ny alahady faha 13 Janoary 2013 teo maro be ny fitsapana nahazo anay. Anisan'izany ohatra ny nipoahan'ny varatra tao an-trano tamin'ny asabotsy 12 Janoary 2013 ka maty hatramin'ny jiro tao amin'ny efitra  izay nisy anay, maro ny zavatra nitranga fa le varatra iny no tena enjana.Manomboka eto dia ho volavolaina ho mpanitatra ny fanjakan' iKristy i Holy ary hatao ho isan'ireo miaramila mahery vaika. Amena.Tsy maintsy miasa ny asan'ny Kristy raha te hitombo ara-panahy.Amena

18/01/2013
0 Poster un commentaire