TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

NY FAHAIZANA MIHAINO NY TOMPO ANDRIAMANITRA( RAY ZANAKA FANAHY MASINA)

 

Hoy JESOA KRISTY « Ny ondriko mihaino ny feoko (Jaona10 :27) »

Hoy ny tenin’ilay hivavahana ao amin’ny Salamo 103 :20 Misaora an'i YHVH, ianareo anjeliny, Dia ianareo izay mahery indrindra sady mankatò ny didiny Ary mihaino ny feon'ny teniny.

 

Ny antsoina hoe mihaino ny TOMPO dia izay mihaino ny teniny izay entin’ny feony.

 

Ireto avy ireo fepetra 3 raha te hihaino ny TOMPO :

 

1]Mila velona ny fanahinao :

izay vao afaka mihaino ilay ANDRIAMANITRA VELONA .Ny mitovy karazana ihany no afaka mifampihaino.Tsy afaka manao ny sitrapon’ANDRIAMANITRA isika raha tsy IZY ANDRIAMANITRA mihitsy no miditra sy mitoetra ao anatintsika mampahafantatra ny sitrapony sy manao manome antsika hery hanaovana ny SITRAPONY.

Ny fitoeran’i JESOA KRISTY ao anatintsika izany no mahatonga ny fanahintsika ho velona araka ny « Romana 8 :10 :Fa raha Kristy no mitœtra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota*, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fanamarinana. [*Na: na dia maty ny tena noho ny ota, fa] »

 

2]Miaina ny lalan’ny fahavelomana :

Ohatra rehefa noana ny olona iray salama tsara dia mitady sakafo hohanina izy,dia tahaka izany koa ny olona efa nandray an’i JESOA dia velona ny fanahiny ka lasa lalàna voajanahary ao anatiny ny mihaino an’i JESOA fa tsy baikoina na terena intsony hamaky baiboly, hivavaka , na hanao fiderana na hihaino toriteny sns….tonga zavatra ilain’ny fanahiny ireo voatanisa ireo.

Mbola maty fanahy ireo olona izay tsy mbola miaina ny lalan’ny fahavelomana ara-panahy.(Te hihaino an’i JESOA KRISTY).

 

3]Mihaino ny feon’ANDRIAMANITRA amin’ny alalan’ny :

-Famakiana baiboly iray manontolo eo ambany fitarihan’ny FANAHY MASINA

-ao anaty toriteny

-ao anaty fampianarana

-ao anaty fijoroana vavolomebelona

-amin’ireo trangan-javatra miseho amin’ny fiainana andavanandro.

 

 



26/09/2019
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 8 autres membres