TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

 TOVO_HOLY_TOAVINA IRINA_TENDRY ANDRAINA_MIAMINA ARIELA TEFISOA

Famangiana ireo voafonja teny an-tanimora

 

Hoy ny soratra masina ao amin'ny matio 25:35-40 manao hoe :

fa noana Aho, dia nomenareo hanina; nangetaheta Aho dia nampisotroinareo; nivahiny Aho, dia nampiantranoinareo;
tsy nanan-kitafy Aho, dia notafianareo; narary Aho, dia notsaboinareo; tao an-tranomaizina Aho, dia novangianareo.........
Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin'ny anankiray amin'ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.

 

Io teny  io no anisan'ny nanosika ny ahy nandeha niaraka amin'ny SLK atao am-piangonana niarahana tamin'ny FJKM SPAA 11  hitsidika ny fonjan'Antanimora tamin'ny 27 octobra 2019 teo.

 

Nahafinaritra ny FANATANERAHINA ny iraka teny Antanimora nisy ireo olona nanome vary amin'ny gony , tao ireo nanome savony amin'ny baoritra sy nanome lamba ho an'ny voafonja.

 

Tao amin'ny quartier C no natao ny fotoam-pivavahana niarahana tamin'ireo voafonja ary tena nafana ny fotoam-pivavahana. Ireo voafonja moa dia nandray anjara hira tamin'ny fotoam-pivavahana satria dia misy choral ao am-ponja ary dia manana fitafiana miavaka isiky ny quartier(A, B, C).

 

Nampihetsi-po sady nandona be ny aty fanahy ny hiran'ireo antokom-pihira ao am-ponja, nahatsapany fa olombelona izy ireo ary diso , tsy nahatohitra ny fakam-panahy. Mihira mitalaho ary tena vokatry ny fo moa izy ireo rehefa mihira

 

Tao aorin'ny fotoam-pivavahana dia nisy asa fampaherezana izay nataon'ny Mpiandry niaraka taminay.

Tao aorian'ny fampaherezana dia nisy ny fandraisana fanasan'ny TOMPO niarahana tamin'izy ireo nanehoana fa IRAY tokoa ao amin'i JESOA KRISTY ny olona rehetra.

 

Ny hira namaranana ny fotoana moa dia ilay hoe raha mifankatia isika sady narahana fifandraisan-tanana.

 

Napetraka tamin'ireo voafonja ny hafatra ny hivavahan'izy ireo, ny hiankinany amin'i JESOA KRISTY fa IZY irery ihany no afaka manova ny fiainany.

 

Ny zavatra rehetra natao tany dia natao ho voninahitr'ilay MPAMONJY ny OLONA REHETRA , tsy iza izany fa JESOA KRISTY velona sy mahery avy any NAZARETA

 

voavonja.jpg

 (sary indrana fa tsy nahazo naka sary izahay)



04/11/2019
0 Poster un commentaire

A découvrir aussi


Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 8 autres membres